Fifanandrifian-javatra ve sa valifaty sa tena halako bika tsy tiako tarehy fa dia hita ho mitondra faisana mihitsy ny ankolafy Ravalomanana amin’izao fotoana.
Navoaka ny didim-pitsarana manameloka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, tonga dia asa an-terivozona mandra-pahafaty, tsy mbola nisy teo amn’ny tantaran’i Madagasikara ny didy mavesatra sy tsy misy indrafo tahaka izany ho ana filoham-pirenena lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika, ary na taty amin’ny kaontinanta Afrikanina aza tsy dia mbola nahitana izany. Omaly indray dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny filohan’ny delegasionina Ravalomanana Fetison Rakoto Andrianirina, ary nampiarahana aminy ihany koa ny i Zafilahy Stanislas, filohan’ny vondrona parlemantera TIM teny amin’ny antenimieram-pirenena. Samy mahatsikaritra io karazana antsojay ataon’ny fitondrana tetezamita amin’ny ankolafy Ravalomanana io avokoa ny rehetra, ary maro no mametra-panontaniana hoe : izany ve no hitan’ny FAT fa hampitony ny tany sy ny fanjakana ary hamaha vetivety ny krizy ? Eo koa ireo mieritreritra fa angamba tena matahotra mafy an’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany i Andry Rajoelina sy ny FAT ka mitady ny fomba rehetra hanilihana azy ireo eo amin’ny sehatra politika ka gadraina kely aloha izy ireo dia maloto ny « casier judiciaire » ary tsy omena famotsoran-keloka indray avy eo, koa dia tsy ho afaka ny hilatsaka hofidiana mihitsy. Samy manana ny heviny moa ny tsirairay fa ny azo antoka fotsiny dia hampangotraka ny tontolo politika izany zava-drehetra izany satria tsy hanaiky ho kamboty velon-dray aman-dreny mandrakizay ireo zanak’i Dada, ary tsy hilavo lefona mora foana amin’ny tolona hamerenana ny ara-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.