Mbola mitovy hevitra tsara ihany ve ny mpitantana eo anivon’ny tetezamita ? Io no fanontaniana manitikitika ny rehetra amin’izao fotoana.
Tahaka izao mantsy ny zava-misy : rehefa nihaona sy nifampidinika tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy sy mpanolotsaina azy i Andry Rajoelina dia toa hoe manaiky ihany ny hampihatra ny satan’i Maputo saingy mametraka fepetra vitsivitsy. Midika izany fa mety hanaiky ny hametrahana ireo karazana rafitra sy ireo olona efa voatendry araka ny fifanarahana nosoniavin’ny ankolafy 4 ihany i Andry Rajoelina, ary mety hanaiky ihany koa ny hanemorana ny fanaovana ilay fifidianana solombavambahoaka amin’ny tapaky ny volana mey. Araka ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba mantsy dia ny fihaonambem-pirenena no laharam-pahamehana, manaraka azy ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanovana ny lalàmpanorenana, dia avy eo ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay miaraka tanterahana.
Etsy an-kilan’izay anefa dia misy manizingizina amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, ka anisan’ny lohalaharana amin’izany ny praiminisitra Camille Vital, fa ny fifidianana solombavambahoaka ihany no vahaolana amin’ny krizy, ary efa eo an-dalam-pananganana ny CENI aza ry zareo ankehitriny. Tsy mety ary tsy azo eritreretina intsony ho azy ireo, ny fampiharana ny satan’i Maputo, atsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, izay tarihan’i Camille Vital, ka afaka miditra ao izay te hiditra. Hita etoana fa misy karazana fifanoherana ihany ny zavatra ataon’ny filohan’ny HAT sy ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta, ary tsy mahagaga raha misy zavatra hafahafa mitranga atsy ho atsy raha tsy mbola mitovy tahaka izany ihany ny tadin-dokanga, ary raha tsy fantatra mazava hoe : iza marina no mibaiko ao anatin’ity tetezamitra ity. Mampitarazoka ny famahana ny krizy avokoa izany rehetra izany, ary tahaka ny mahazatra dia avy amin’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina foana no iavian’izany olana rehetra izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.