Mandeha ny resaka ankehitriny fa manana olana amin’ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny ankapobeny ny fitondrana Rajaonarimampianina
. Mandeha ihany koa ny feo fa tsy manaiky ny hatao fitaovana hoenti-miaro an-jambany ny fitondrana izay efa manao ny tsy mety ny mpitandro ny filaminana ka misy amin’ireo lohandohan’ny mpitarika eo anivon’ny fitandroana ny filaminana no tsy mety hatao fitaovana intsony. Mbola mampisy lonilony ihany koa ilay resaka fampidirana mpianatra ho manamboninahitra izay nahavoatonona ny vadin’ny filoha. Efa misy ny ady mangatsiaka ka mitady hery hafa hanohana azy ny fitondrana. Miezaka mampiteny olona hiaro azy ny mpitondra ankehitriny manoloana ny fanehoan-kevitra politika izay tsy mankasitraka loatra ny fitondrana ny ankamaroany. Miezaka manangana vovonana isan-karazany hiteny sy hanohana ny fanjakana ny mpitondra mba hilazana fa mbola maro ny mpanohana izao fitondrana izao. Nijoro tamin’ity volana oktobra ity, ohatra, ny vovonana Sahia ry Gasy, hiaro ny Repoblika faha-4 sy ny filoham-pirenena. Eo ihany koa ny vondrona 3MA na ny Malagasy Mijoro ho an’ny Ara-dalàna. Etsy an-kilany kosa anefa dia toa nahazo lamosina tamin’ny fanjakana ny fikambanana AV7 izay tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana nanomboka tamin’ity volana ity. Nambaran’ny mpikambana sasany tamin’ny alalan-dRamatoa Juliette Andrianaivo fa tsy mbola nahazo ny asa nampanantenaina taminy ny mpikambana raha nampanantenaina fa hampidirina ho mpiasam-panjankana. Matahotra mafy ny toerany ny mpitondra ka mampiteny sy mitady mpanohana mafy. Ny tafika izay nianteherana hatramin’izay dia tsy tena namana, antony hikarohan’ny mpitondra mpanohana. Vaky ny ady mangatsiaka izay mety hiteraka zavatra hafa atsy ho atsy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.