Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Lasa ny loza, ho avy ny atambo


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

Azo ambara ho afa-doza ny fitondrana Rajaonarimampianina hatreto nanoloana ny hetsika politika niseho ny faran’ny herinandro teo.

 

Raha tsiahivina, ny zoma lasa teo no fotoana notondroin’ny mpitarika ny hetsika politika Antso ho Fanavotam-Pirenena (AFP) hitarihana olona hidina an-dalambe hanongam-panjakana. Nitsefotra anefa iny noho ny antony maro, toy ny fahatahoran’ny mpitarika ny hosamborina ka tsy nipoirany, tsy fahazakan’ny mpitarika vahoaka, fanakanan’ny mpitandro filaminana, tsy liana amin’ny resa-politika intsony ny olona. Tsy mbola tafavoaka ny loza anefa ny fitondrana satria ho avy indray ny tena atambo.

Hanova paikady ny mpanohitra

Na tsy nipoitra teny an-kianja aza ireo lohandohan’ny mpisorona tamin’ity hetsiky ny Antso ho fanavotam-pirenena ity dia nanambara ny mbola hanohy ny hetsika. Milaza ny hanova paikady izy ireo noho ny sakana ataon’ny mpitandro ny filaminana izay sokajiany ho hery famoretana. Tsy mahakivy ireo mpitarika izany ary misy mihitsy no milaza fa nahomby ny fanombohan’ny hetsika tamin’ny zoma satria nisy ihany ireo olona namaly ny antson’ny mpitarika na somary vitsy aza. Tsy maintsy hanongana izao fitondrana izao amin’ny fomba rehetra ny AFP raha ny fanehoan-keviny..

Hisy fiantraikany amin’ny frankofonia

Raha mitohy ny hetsika isan-karazany eto amin’ny firenena izay mety hitarika krizy politika sy sosialy dia mety hoesorina amin’i Madagasikara ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia. Fantatra fa efa ela no manana planina faharoa ny Fikambanan’ny firenena Frankofonina amin’ny toerana hanaovana io fihaonana an-tampony io dia any Kanada. Ny fanomanana ankapobeny rahateo iaraha-mahita ho tsy dia mandeha amin’ny laoniny toy ny  fotodrafitrasa, fitandroana filaminana ... Maro ihany koa ny olom-pirenena sy ny fikambanana na antoko politika no tsy mankasitraka ny fandraisan’i Madagasikara ity Fihaonana ity toy ny Fikambanan Fiverenana an-doharano noho ny tsy fahitana izay tombontsoan’ny besinimaro. Ankoatra ireo, mbola mitatao ao an-tampon-dohan’izao fanjakana izao ny fitakiana isan-karazany ankoatra ny politika dia fitakian’ny mpampianatra FRAM, hetsiky ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana, ny raharaha Soamahamanina … Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT