Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Haongana amin’izay, hoy ny TFI


  • Sabotsy 15 Aprily 2017

Tsy azo hihodivirana intsony ny fanorenana ifotony fa tsy maintsy atomboka, hoy ry zareo avy eo anivon’ny hetsika politika Tolona ho amin’ny fanorenana ifotony na TFI tetsy amin’ny Espace dera

Tsiadana omaly raha nampivory hery politika maromaro handinihana izay tokony hatao manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. Efa mamoha henatra, hoy ny mpitari-tolona, Rasolofo René, ny ataon’ny fitondrana ankehitriny ka antony mila hanonganana azy faran’izay haingana amin’izay. Maty hasina ny fitondrana sy ny andrimpanjakana noheverina fa najoro hiaro ny tombontsoa iombonana sy ny lalàna ary natao varoboba ny tanindrazana, hoy izy ireo, ka ny fitondrana mihitsy no fototry ny kolikoly sy tsikombakomba amin’ny tsy mataho-tody. Misy moa ny paikady novolavolain’ireto hery politika maro nivory ireto ahatongavana amin’izay fanorenana ifotony izay, raha ny fanazavana, ary mbola hifampizaran’izy ireo ny alarobia izao.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT