Mpitandro ny filaminana midaroka mpanao gazety toy izay niseho teny Antanimena vao haingana, tatitra vilana tonga any amin’ny sehatra iraisam-pirenena voamarina tamin’ny alalan’ny filazan’ny solontenan’ny firenena mikambana nandalo teto farany,
fampanantenana tsy azo tanterahana toy ny olana mikasika ny fahatapahan-jiro sy rano matetika loatra miampy ireo filazana samihafa fa efa tomombana ny fandraisana kanefa rehefa tonga ny fotoana dia vakiana fotsiny fa hay kitoatoa. Iza daholo ary no mpanoro hevitra ao ambony ao ireny zavatra manala baraka ireny ? Sombiny ihany ireo entina ilazana fa misy fandaminana sy fifandaminana anatiny tsy mandeha ao an-dapa ao. Efa maro ireo andrim-panjakana milaza azy ho tsy manam-bola kanefa dia mbola sahy mampanantena drafitra tsy hay atomboka akory hatrany. Ny fahaizana manazava mihitsy ve no tsy ampy eo amin’ny mpitondra sa maro amin’ireo mpanolotsaina no manipy hoditr’akondro ? Anjaran’ny filoham-pirenena sy ireo manodidina azy no mieritreritra. Tsy ny fanesorana na fanoloana tompon’andraikitra isak’izay mihetsika akory no vahaolana fa ny manova fomba fiasa.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.