Nandritry ny fifampiarahaban’ny antoko politika Marina teny amin’ny villa verte Ambatomirahavavy no nanaovany fanambarana miezinezina omaly,
tamin’ny alalan’ny mpandrindra nasionaly, Désiré Ranaivoson, fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana rehetra isan’ambaratongany ny antoko na mialoha ny fotoana na aoriana. Manana ny vahaolana heverinay azo hanavotana ny firenena izahay, hoy izy, ary efa vonona ny handray fahefana. Fepetra 5 no takianay mba hisian’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra. Voalohany, ny fanombohana amin’ny alalan’ny fifidianana sefom-pokontany manerana ny nosy satria izany no mariky ny fanomezan-kasina ny vahoaka. Faharoa, ny fisokafan’ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny olona rehetra, fahatelo, fitsipi-dalao mazava tsara, fahefatra datim-pifidianana mazava ary fahadimy farany, mba hisorohana ny toy ny efa nataon’ireo mpitondra rehetra teo aloha izay nanararaotra nampiasa fitaovam-panjakana nanaovana fampielezan-kevitra, toy izay nitranga tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy loholona farany teo dia tsara, hoy ny antoko, raha mba mijanona ho Raiamandreny amin’izay ny filoha ankehitriny. Efa tsy miafina rahateo, hoy izy ireo ny fisondrotry ny fahasahiranam-bahoaka tao anatin’ny 3 taona.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.