Tsy tongatonga ho azy ny nisamborana an-dRtoa Claudine Razaimamonjy fa tsy maintsy nisy ny hery ambadika manohana sy mandrisika ny Bianco sy ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM),
izay mety ho ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo firenen-dehibe toy ny Frantsay sy ny Amerikanina, raha ny fandalinana ny zava-miseho ankehitriny. Mahalasa saina ny mpanara-baovao ihany mantsy hoe nahoana no izao vao sahy nanao izany ity birao mahaleotena misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly ity na dia efa ela ihany aza no nalaza ny raharaha Claudine Razaimamonjy, toy ilay resaka kolikoly mitentina 390 tapitrisa tany Ambohimahamasina, izay efa nampiantsoan’ny Bianco azy ny volana novambra 2016, saingy tsy norarahiany. Niala maina ny Bianco tamin’izay, tsy sahy nisambotra, ka dia nambara ho efa any amin’ny fitsarana ny raharaha fa efa vita ny fanadihadian’ny Bianco, kanefa tsy nisy mihitsy ny raharaham-pitsarana taorian’izay, raha toa ka mampiaka-peo ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) amin’izao fotoana izao.
NIJABAKA NY HVM ?
Tafavoaka soa aman-tsara any ivelan’i Madagasikara i Claudine Razaimamonjy ary misy manampahefana tompon’antoka tamin’ny fampitsoahana azy. Azo natao ny nisakana izany saingy toa navela mihitsy mba ho hitam-poko hitam-pirenena fa ny fitondrana Rajaonarimampianina dia mampihatra ny fanjakan-jiolahy sy ny tsy maty manota ary ny tany tsy tan-dalàna. Mihevitra fa mbola mafy sy tsy azo hozongozonina, ary manantena fa hilamina tanteraka ny raharaha ary hangina vao votsotra ity mpanolotsain’ny filoha ity. Tafajabaka anaty kizo anefa ny HVM ankehitriny, ary nangina sy tsy nandresenesam-peo, taorian’iny fampitsoahana efa voaomana iny. Nihetsika avy hatrany ireo rafi-panjakana sy sendika isan-karazany, izay miha mitombo hatrany, ary efa tena manameloka ny fitondrana. Azo adika izany fa efa miady amin’ny rafi-panjakana isan-tsokajiny sy ny sendika ny fanjakana foibe. Mandeha ny resaka fa efa manomboka mikisaka eny amin’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ity resaka ity. Voalaza fa ao an-damosin’ny raharaha hatrany ny sehatra iraisam-pirenena, ka mitana anjara toerana betsaka amin’izany ny Amerikanina sy ny Frantsay. Raha dinihina dia ratsy fifandraisana amin’ireo firenen-dehibe ireo ny fanjakana Rajaonarimampianina. Ireto farany tsy manome vola noho ny kolikoly eto, ka manomboka mitady lalana amin’ny Sinoa sy ny Arabo ary ny firenena tatsinanana toa an’i Tiorkia izay ratsy fifandraisana amin’ny tandrefana. Tratry ny ankivy ny fitondrana Rajaonarimampianina, ary mety ho kihon-dalana mizotra any amin’ny fandrodanana an-kolaka ny fitondrana HVM, izay izao zava-misy izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.