Politique

Fitondrana HVM Mitanila sady miangatra


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba ny raharaha iray mahasaringotra an’i Alain Ramaroson, ka voaheloka higadra herintaona sazy mihatra sy mandoa onitra 950 tapitrisa ariary ho an’ny mpitory ity mpanao politika filohan'ny Antoko Masters ity.

 

 Mikasika ny adin-tany eny Andoharanofotsy io didim-pitsarana omaly io ka fanaovana hosoka no vesatra niampangana azy. Tetsy an-kilan’izay anefa dia tafavoaka an’Antanimora ny alatsinainy teo ireo polisy sy miaramila mpiambina akaiky ny vady sy ny zanaky ny filoham-pirenena  izay voarohirohy tamina fikambanan-jiolahy, fanafihana mitam-piadiana sy vaky trano. Niakatra fitsarana ny 4 jolay teny Anosy moa ny miaramila 2, zandary 1 ary polisy iray miasa eny amin’ny prezidansa ka efa savorovoro ny teny Anosy tamin’izay fotoana izay ka voatery niditra an-tsehatra ny emmo reg. Tsy mbola vita ny fitsarana azy ireo. Nahoana anefa no afaka nivoaka ny fonja izy ireo ? Moa ve nahazo fahafahana vonjimaika kanefa voasokajy ho jiolahy tena nahavanon-doza ? Iza no nanome ny baiko ? Sa nandeha mafy ny tsindry bokotra ka tsy afa-nihetsika ny mpiambina ny fonja sy ny mpitsara ? Ny tranga tahaka izao no mahatonga ny olona tsy mahatoky intsony ny fitondram-panjakana satria matetika no ahitana fitanilana, fiangarana sy mizana tsindrian’ila. Milaza moa ny fitsarana fa hijoro amin’ny fahamarinana sy araka ny lalàna. Ho hita eo izay ho tohin’ity raharahan’ny mpiambina ny fianakavian’ny filoha ity hoe nandeha araka ny tokony ho izy ve ny raharaham-pitsarana sa nisy fanaparam-pahefana sy resaka lava tanana tao ? Raha hiverenana ny raharaha Ramaroson dia efa voavaky ny didim-pitsarana omaly vao tonga teny an-toerana ny tenany noho ny fahataran’ny famoahana azy niala teny Antanimora nihazo ny lapan’ny fitsarana Anosy. Tsy nanatrika ihany koa ny mpisolovava azy. Nikotaba sy nentin-katezerana i Alain Ramaroson nandritra ny fahatongavany teny Anosy noho izay toe-javatra izay. Mbola misy dosie hafa momba ity mpanao politika ity moa eny amin’ny fitsarana raha araka ny fantatra.

 
 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT