Nahazo aina indray Atoa Rajaonarimampianina taorian’ireo fanehoan-kevitra samihafa tato ho ato manohitra ny hisian’ny fifidianana mialoha ny fotoana.
Naneho ny tsy fankasitrahany an-kolaka ny vondrona iraisam-pirenena tamin’ny filazana fa tsy hisy famatsiam-bola ho an’izany. Nanambara Atoa Marc Ravalomanana ny 31 aogoisitra 2016 fa mila ifampidinihana tsara, raha hatao izany mba ho tena tombontsoan’ny vahoaka. Vao ny alahady 4 septambra lasa teo Atoa Didier Ratsiraka no naneho ny tsy fankasitrahany ny fifidianana mialoha ny fotoana fa kosa mitaky hisian’ny fihavanam-pirenena hanavotana ny firenena. Talohan’io raha nandalo teto ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban Ki-moon dia namepetra mba tsy hanongam-panjakana. Afa-doza aloha ny fitondrana HVM hatreto. Fotoana anefa io, tokony hanovan’ny mpitondra famindra sy fihetsika fa tsy hanao fihantsiana lava. Takian’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny SADC rahateo ny hisian’ny fifanatonana sy fifampidinihan’ny mpisehatra politika eto amin’ny firenena. Mody fanina anefa ny mpitondra noho ny fahatokisan-tenany taorian’ireo fanehoan-kevitra amin’ny tsy tokony hisian’ny fifidianana mialoha ny fotoana ireo.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.