Politique

Fitondrana HVM Manomboka sahady ny tery vay manta


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Io fa mipoitra ny toetrany ! Vao fankalazana ny 8 martsa dia efa manao tery vay manta ity fitondrana ity. Mibaribary izany eto an-drenivohitra, indrindra ny eny anivon’ny asam-panjakana toy ny minisitera.

 

 

 Nandefasana teny mita ireo foibem-pitondrana sy sampandraharaha isan-tokony mampahafantatra ny vehivavy mpiasa fa tsy maintsy tonga eny Mahamasina amin’ny alarobia 8 martsa, fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Itrangan’izany ao amin’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny paositra. Miteraka fimonomononana ity fepetra ity. Raisin’ny olona ho tahotra ny tsy hahafeno an’i Mahamasina ny mpitondra, ka dia faneriterena no heverina fa lalana ho amin’izany, hisorohana ny fahafaham-baraka. Etsy an-kilany, tsy vitsy koa ny mihevitra fa efa taratry ny hitranga amin’ny fifidianana amin’ny 2018 izao faneriterena izao, toy ny efa niainana nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy fifidianana Loholona, ny taona 2015. Dia aiza ny fanajana ny fahalalahana manoloana izany.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT