Vonjy tavanandro, tsy mahafaka ny fijalian’ny vahoaka fa fanarontsaronana ny tsy fahaiza-mitondra sy ny halatra atao ny hetsika fizaram-bary itetezana faritra ataon’ny mpitondra ankehitriny, hoy ireo mponin’i Mahajanga.
Fanazarana ny toetsain’ny vahoaka ho zatra tolorana sy miandry mahazo fotsiny, hoy ny sasany. Vary 5 taonina no anjara nomena ireo olona sahirana sy beantitra ao anatin’ny kaominina renivohitr’i Mahajanga ny marainan’ny alakamisy teo ka olona 1.000 no nisitraka izany. Vary 5 kilao isan’ankohonana, miampy menaka sy sira ary brike no nozaraina. Vahaolana maharitra manafaka azy ireo anaty fahantrana lalina no ilain’ny vahoaka. Asa fivelomana ahafahana mampianatra ny ankizy sy mamaly izay rehetra mety ho filan’ny isan-tokantrano. Zanak’ikalahafa ihany koa ireo mponina any ambanivohitra satria tsy mba tafiditra anatin’izao hetsika izao ary tsy hanana ny anjarany. Nilokaloka ny filoha fa tsy hisy intsony ny delestazy. Vao lasa anefa izy dia efa mitohy indray ny fahamaizinana sy ny fijaliana amin’ny resaka herinaratra ho an’i Mahajanga raha tsy tapaka mihitsy nandritra ny fivahiniainan’ireo delegasiona tao an-toerana, ny vidin-tsolika sy ny vidim-bary indray aza no vao mainka nidangana.
Vahaniaina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.