Tamin’ny herinandro dia efa niaiky mihitsy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Rivo Rakotovao fa miadana loatra ny fampandrosoam-pirenena eto amintsika,
raha nanokatra atrikasa iray teny amin’ny Espace dera Tsiadana. Antony nilazany fa tsy mbola voavoly ny 80%-n’ny tany eto amintsika kanefa dia tantsaha mpamokatra ny 80%-n’ireo mponina. Izao izy vao nanazava fa hanao ezaka hihazakazaka hitadiavana fomba hahafahana mamboly na koa hoe manao zavatra amin’ireo tany tsy voasa ireo fa maika, hono, ny vahoaka. Nilaza koa ny minisitry ny jono, François Gilbert, fa nitombo ny taham-panondranana teto amintsika, raha izay lafiny izay, ny taona 2016 satria raha 375 miliara ariary talohan’ny novambra dia nahatratra hatrany amin’ny 500 miliara kosa iray volana taty aoriana. Tombanana hiakatra avo roa heny io amin’ity taona ity, raha ny filazany, saingy roa andro taorian’izay ihany dia mbola samy nanizingizina ireo mpahay toekarena sy mpandinika isan-karazany fa mibanaka loatra ny fari-dranomasintsika. Hatramina mpikambana avy eo anivon’ny foloalindahy aza dia sahy nilaza fa raha atao ny kajikajy tsotsotra tamin’ireo harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina efa very teto amintsika dia farafahakeliny efa nahazo angidim-by miisa 100. Hatramin’izao anefa, hoy izy, dia tsy manana na dia angidim-by iray aza ny zandarimaria.
Mbola hipoka atrikasa
Na dia efa nandeha aza ny tsikera avy amina ankolafy maromaro noho ny fisian’ny atrikasa be loatra kanefa tsy hita avy eo izay tohiny dia mbola saika hahenoana izany hatrany, farafahakeliny, isaky ny herinandro. Nilaza ny minisitry ny harena ankibon’ny tany, Zafilahy Ying Vah, ny faran’ny herinandro teo fa sarotra ny mametraka ny sata vaovao mikasika ny harena ankibon’ny tany eto amintsika satria be loatra ireo hevitra voaray ary maro tamin’izany no tsy heno avy aty amin’ny fanjakana foibe. Mbola eo am-pamolavolana ny mikasika ny fametrahana ireo mpitandro filaminana misahana ny harena an-kibon’ny tany koa amin’izao fotoana izao ny minisitera. Tsara anefa ny manamarika hatrany fa mampiditra karazan-ketra maherin’ny 40 isa ihany koa ireo orinasa vaventy mpitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika. Ambatovy manokana, ohatra, dia mampiditra hatrany amin’ny 150 miliara ariary isan-taona ho an’ny fanjakana malagasy. Inona no antony mbola mahabe ny kere sy ny mpatory an-dalana ary mampitotototo hitady famatsiam-bola ny fitondrana ankehitriny, indrindra fa mampidangana ny vidim-piainana eto?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.