Politique

Fitondrana ankehitriny Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Tamin’ny herinandro dia efa niaiky mihitsy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Rivo Rakotovao, fa miadana loatra ny fampandroam-pirenena eto amintsika, raha nanokatra atrikasa iray tery amin’ny espace dera tsiadana tery.

 Antony nilazany izany ny mbola tsy maha voavoly ny 80%n’ny tany eto amintsika kanefa dia tantsaha mpamokatra ny 80%n’ireo mponina. Izao ny tenany vao nanazava fa hanao ezaka hihazakazaka hitadiavana fomba hahafahana mamboly na koa hoe manao zavatra amin’ireo tany mbola tsy voahasa ireo fa maika, hono, ny vahoaka. Etsy an-kilan’izay, nilaza koa ny minisitry ny jono, François Gilbert, fa nitombo ny taham-panondranana teto amintsika, raha izay lafiny izay, ny taona 2016 satria raha 375 miliara ariary teo ho eo izany talohan’ny novambra dia nahatratra hatrany amin’ny 500 miliara kosa iray volana taty aoriana. Tombanana hiakatra avo roa heny io amin’ity taona ity, raha ny filazany, saingy roa andro taorian’izay ihany dia mbola samy nanizingizina ireo mpahay toekarena sy mpandinika isan-karazany fa mibanaka loatra ny fari-dranomasintsika. Hatramina mpikambana avy eo anivon’ny foloalindahy aza dia sahy nilaza fa raha atao ny kajikajy tsotsotra tamin’ireo harena an-kibon’ny tany sy an-dranomasina efa very teto amintsika dia fara-fahakeliny efa nahazo angidim-by miisa 100. Hatramin’izao anefa, hoy izy, dia tsy manana na dia angidim-by iray aza ny zandarimaria.

Mbola hipoka atrikasa

Na dia efa nandeha aza ny tsikera avy amina ankolafy maromaro nohon’ny fisian’ny atrikasa be loatra kanefa tsy hita avy eo izay tohiny dia mbola saika hahenoana izany hatrany, fara faha keliny, isaky ny herinandro. Nilaza ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany, Zafilahy Ying Vah, ny faran’ny herinandro teo fa sarotra ny mametraka ny sata vaovao mikasika ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika satria be loatra ireo hevitra voaray ary maro tamin’izany no tsy heno avy aty amin’ny fanjakana foibe. Mbola eo am-pamolavolana ny mikasika ny fametrahana ireo mpitandro filaminana misahana ny harena an-kibon’ny tany koa amin’izao fotoana izao ny minisitera. Tsara anefa ny manamarika hatrany fa mampiditra karazan-ketra maherin’ny 40 isa ihany koa ireo orinasa vaventy mpitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Ambatovy manokana, ohatra, dia mampiditra hatrany amin’ny 150 miliara ariary isan-taona ho an’ny fanjakana malagasy. Inona ary izany no antony mbola maha be ny kere sy ny mpatory an-dalana ary mampitotototo hitady famatsiam-bola ny fitondrana ankehitriny, fa indrindra, mampidangana ny vidim-piainana eto?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT