Tsy tontosa hatramin’izao ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011, tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena, ilaina indray ny fifampiresahana eo amin’ireo ankolafin-kery maro samihafa, hohamafisina ny ady amin’ny kolikoly sy ny ezaka atao handresena ny fahantrana.
Tahaka izay raha fintinina ny resaka nataon’i Joachim Chissano omaly teny Mahazoarivo raha nihaona tamin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny tenany. Mbola ratsy ny toe-draharaha eto Madagasikara raha io resak’i Chissano io no raisina ary midika fa marefo sady tsy nahavita ny asany ny fitondrana Rajaonarimampianina nilokaloka fa hitarika ny fampihavanam-pirenena. Tsy nanan-kavaly firy ingahy praiminisitra omaly fa dia nisaotsaotra ny Sadc tsy manadino an’i Madagasikara no nataony.Tonga teny Faravohitra ihany koa ka niresaka tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Joachim Chissano ary mbola nohamafisiny fa marefo tanteraka ny fitondrana izay mijoro ankehitriny ka mila mifanantona ny herivelona rehetra mifandinika ; notsipihiny tsara fa tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana ny SADC.Niantso an’i Marc Ravalomanana mba hihaona sy hidinika amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany koa ity iraky ny SADC ity. Ho an’Atoa Ravalomanana kosa dia nambarany fa tsy tokony hisy ny fanakantsakanana amin’ireo kandida ho filoha amin’ny 2018. Aoka izay ny resaka : « ni, ni » hoy izy. Tsy adinony ihany koa ny namelabelatra tamin’i Joachim Chissano ny olana eo amin’ny resaka tanin’ny orinasa TIKO eny Andohatapenaka sy Ankorondrano izay samy nobodoin’ny fanjakana avokoa moa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.