Politique

Fitondran'ny HVM Fanjakan-jiolahy


  • Talata 21 Febroary 2017

Telo taona mahery kely izay no nitondran’ny fanjakana HVM an’i Madagasikara. Telo 3 taona vao mainka nampihemotra sy nampikorosy fahana ny firenena.

 Na nisy aza ny mety endri-pampandrosoana natao, dia takona tanteraka fa ny zava-doza nataon’ity fitondrana ity no nisongadina. Miha mahantra fadiranovana ny Malagasy ary miha manjaka andro aman’alina ny kolikoly. Raha tany amin’ny laharana faha-123 dia efa manakaiky ny rambony satria any amin’ny faha-145 amin’ny firenena 176 amin’izao fotoana izao. Nitombo ihany koa ny tahan’ny famotsiam-bola maloto. Amin’ny fomba ahoana tokoa moa no handresena ny kolikoly raha ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena no mpanome leson-dratsy ? Niniana nafenina ny raharaha fahatrarana an-dramatoa Nicole Andrianarison, olona akaiky ny filoha nitondra volabe tsy mazava mitentina 3 tapitrisa Euros tany Roissy Frantsa ny volana desambra 2015. Nalaza ny raharaha fanodinkodinam-bola mitentina 390 tapitrisa ariary nahavoatonona ny anaran’i Claudine A&C, mpanolotsain’ny filoha, saingy ny Bianco sy ny fitsarana aza toa niala maina. Ny 54 tamin’ireo tsenan’asa 107 izay manome 62% tamin’ny asa nandritra ny frankofonia no voalaza fa tsy nisy antso tolobarotra ara-dalàna, ary efa notakian’ny firaisamonim-pirenena eto amintsika ny fanazavana izany tamin’ny antsipirihany satria mitentina 25,6 miliara ariary na 8 tapitrisa dolara teo ho eo no totalim-bidin’ireo zavatra tsy mazava ireo saingy tsy nampiana resaka hatramin’izao. Nanjaka ny fanondranana boaderozy, ka ny olona efa tratra toa an’i Bekasy aza navotsotra sy nampandosirina.

Mitombo ny kolikoly

Izao ihany koa dia mandeha be ny feo fa olona manana ny maha izy azy ao an-dapa sy mpikambana no voalaza ho mpiaro ireo mpanao  trafikan'ireo bolabolana boaderozy  341 sarona tany Masoala, saingy tsy voakitika fa ireo irakiraka sy tatsambo no naiditra am-ponja. Ankoatra izay, niha nahazo vahana ny kolikoly satria raha araka ny tatitra navoakan'ny Transparency International ny 25 janoary lasa teo dia lasa laharana faha-145 i Madagasikara tamin'ny 2016 raha toa ka laharana faha-123 tamin'ny 2015. Ampahan-javatra ihany ireo saingy hahafahan’ny tsirairay misaintsaina ny afitsoky ny fanjakana HVM. Fampanantenana no betsaka fa ny asa maivana ary maro ny manampahefana ambony be afera ka sarotra noho izany ny hahatokisana fa mangarahara ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny harem-pirenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT