Politique

Fitondran-dRajaonarimampianina Hifampitady amin’ny mpitsara


  • Talata 11 Aprily 2017

Ambony ambany ny rafi-panjakana eto Madagasikara, mikorontana tanteraka, mangina ny filoham-pirenena.

Tsy te handray andraikitra ve sa tsy sahy mandray andraikitra sao hosaringotina koa ? Efa ny mpitsara izao no mampibaribary ny fandikan-dalàna koa inona indray no mbola ambara ? Tsy maintsy niditra tany am-ponjan’Antanimora aloha Rtoa Claudine Razaimamonjy. Raha nisy tsy netinety tamin’ny vatatenany dia nozahan’ny mpitsabon’ny fonja ary raha hita fa ilana fitsaboana ivelan’ny fonja dia natao aloha ny taratasy. Tsy izay no niseho fa vita ny fitsarana dia nivantana teny amin’ny hopitalim-panjakana CHU-JRA avy hatrany ity mpandraharaha mpanefoefo ity ary avy eo tonga dia nivoaka vao mangiran-dratsy tao omaly alatsinainy dia nandray fiaramanidina manokana. Misy anefa ny fandrarana azy tsy hivoaka an’i Madagasikara. Mazava ny resaka fa manana mpiaro matanjaka ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka tarihan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ity ramatoa ity ka tsy miraharaha izay fanapahan-kevitry ny fitsarana. Tsy hanaiky mora foana ny fandikan-dalàna anefa ny fianakaviamben’ny mpitsara raha ny resaka omaly. Hifampitady izany ny fahefana mpitsara sy ny fahefana mpanantanteraka. Hitombo indray ny savorovoro !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT