Politique

Fitondram-panjakana Tototry ny fitakiana sendikaly


  • Sabotsy 08 Jolay 2017

Tsy mivaha ny olan’ny mpiasan’ny ladoany manao fitokonana ary ambara fa any aorian’ny volana janoary 2018 vao mety ahitana mangirana ny fitakiany, raha haravona ny fanambaran’ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola.

 Mitaky ny tombontsoany izay tsy nisy tao anatin’ny 15 taona ihany koa ny mpiasan’ny fananan-tany, ary efa natao ny dingana samihafa saingy tsy nasian’ny fitondrana hasiny, ka milaza hiroso amin’ny fitokonana izy ireo. Hampiato tanteraka ny asany ihany koa ny Sendikan’ny mpitsara (SMM) manomboka ny 11 jolay noho ny tsy firaharahiana sy ny famalian’ny fanjakana ny fitakian’izy ireo amin’ny hanomezana antoka ny famelana ny fitsarana hanao ny asany lavitry ny teritery. Ny olana ara-tsosialy isan-karazany tsy tanisaina intsony, saingy ny fampanantenana poakaty no mba hany resahina andro aman’alina. Tsy mahita horaisina ny fanjakana Rajaonarimampianina, izay sokajian’ny maro ho fanjakana badraodra tsy mahavaha olana. Toa tsy mahalala ny tokony hatao kanefa mbola andevozin’ny fahefana sy tsy mahalala onona amin’ny kolikoly mampalaza azy, ka manangam-bovona sy mila voatsiary. Raha tena manan-kambo sy mahavita azy dia any amin’ny famahana olana isan-karazany no himasoana fa tsy any anaty kajikajy politika maloto no hireharehana fa mafy sy matanjaka, ka mahavita misompatra sy manakana ireo antoko politika atahorana ho amin’ny fifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT