Tsy misy mahavita araka ny tokony ho izy ny andraikitra nampandraiketana azy ireo andrim-panjakana eto amin’ny firenena.
Io raha fintinina ny fanehoan-kevitra nivoaka avy eo amin’ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena na ny SEFAFI mikasika ny fahitany ny zava-misy eto Madagasikara. Na ny fahefana mpanao lalàna na ny mpanatanteraka ary ny fahefam-pitsarana, araka izany, dia samy voakasik’izay tsikera izay avokoa. Eto Madagasikara, hoy izy ireo, dia tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainana marina ny fitsinjaram-pahefana. Mitranga eto hatramin’izao rehefa mety ho karazana fandikan-dalàna, ny fifanilihana ara-piarahamonina miampy kolikoly avo lenta. Mila apetraka maika ny Haute Cour de Justice na ilay fitsarana ambony afaka mitsara ireo mpitondra. Maika ihany koa ny fametrahana ny fitsarana manokana momba ny trafikana hazo sarobidy sy fitsarana iray tena mahaleotena momba ny kolikoly, hoy ny SEFAFI. Tokony halalaka amin’ny fanadihadiana ataony ny olona ao anatin’io fitsarana io ary mila saziana avy hatrany ireo tena mpanao kolikoly raindahiny, araka ny hevitry ny SEFAFI. Hentitra ary tena mazava ny fanambarana. Mitovitovy amin’ny navoakan’ny fiangonana katolika ihany izay tena namotsipotsitra ny fisian’ny kolikoly eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny lainga ary ny tsy rariny. Miha mitombo isa hatrany noho izany ireo herivelona eto amin’ny firenena manomboka tena masiaka fitenenana amin’ny famakiana bantsilana ny tsy mety ataon’ireo mpitondra fanjakana.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.