Nilaza ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena momba ny fiarovana ny zon’olombelona (CNIDH) fa zo sy lalàna fototra iraisam-pirenena ny fanaovana grevy ho an’ny mpiasa, ary anisan’ny nankato i Madagasikara ny taona 1970.
Zon’ny mpiasa ihany koa ny manangana sendika sy miditra ho mpikambana ao mba hahafahana miaro ny tombontsoa iombonana. Tsy voahaja izany eto amintsika, ary nasian’ny CNIDH resaka ny momba ny tsy fampiharana ny didim-pitsarana mamerina an’i Rado Rabarilala sy ireo niara-nitarika fihetsiketsehana taminy teo anivon’ny orinasa Air Madagascar amin’ny asany. Efa tamin’ny volana aprily 2016 no nivoahan’ny didim-pitsarana mamerina ireo mpiasa noroahina vokatry ny fitarihana hetsika sendikaly, saingy tsy mbola nampiharina mandrak’ankehitriny. Voararan’ny lalàna iraisam-pirenena ihany koa ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana hanao famoretana amin’ny hetsika ka hideran’ny CNIDH ny fanjakana ny tsy fisian’izany. Midera ny famondronan-kery ataon’ny sendika isan-tsokajiny toy ny mpampianatra mpikaroka (SECES), ny mpiasan’ny ladoany (SEMPIDOU), Mpitsara (SMM) amin’ny fitakiana sy ny fiarovana ny tombontsoany ity vaomieram-pirenena ity. Tsy tokony hohadinoina ihany koa anefa ny fitarainana sy ny voka-dratsiny izay miantraika amin’ny vahoaka na dia eo aza ny zo sy ny fahalalahana mampisy fiantraikany amin’ny an’ny hafa. Samy tompon’andraikitra na ny fanjakana na sendika isan-tsokajiny mba tsy hisian’ny fanohintohinana ny besinimaro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.