Politique

Fitokonana faobe Tapa-kevitra ny mpiasam-panjakana


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Tonga ny fotoana hanehoana ny hery ho an’ny mpiasam-panjakana. Raikitra ihany koa ny fitokonana faobe ataon’izy ireo manomboka ny talata 12 oktobra izao araka ny baiko nomen’ny (F3M) Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana izay ivondronan’ny sendika sy fikambanana 30 ary misy ny sokajin’asa rehetra.

 “Rehefa nohenoina ny hetahetan’ny mpiasa rehetra hatrany amin’ny Faritra dia hatsahatra ny asa manomboka amin’ny talata izao manoloana ny fanaovana ankilabao sy tsinontsinona ny mpiasampanjakana ary ny bemarenina ataon’ny mpitondra”, hoy ny fanambarana nosoniavin’ireo mpitarika sendika sy fikambanana ao amin’ny F3M. Nanamafy i Celestin Randrianarivonizandriny fa tsy mijanona ny fitokonana raha tsy azo izay takiana. Tsy nanambara ny endrika isehoana kosa anefa ireo mpitarika satria ao anatin’ny paikady izany. “Amin’ny talata fa tsy alatsinainy no hanomboka ny hetsika ho fanajana ny lalàna izay mamaritra fa mila ampahafantarina ny fitokonana hatao 48 ora mialoha ny fanjakana” raha ny fanazavana ihany. Ny fangatahana ny fampitoviana ny marikarama ho an’ny mpiasam-panjakana mitovy sokajin’asa sy mitovy mari-pahaizana araka ny andiny faha-28 sy 34 amin’ny 2003-11 ao anatin’ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana no fototry ny fitakian’ny F3M hatramin’ny volana martsa 2010.

Nisy hatrany ny fampanantenana fa havoaka mialoha ny fetin’ny 26 jona 2010 teo ary mbola nahemotra ny volana aogositra indray avy eo ny didim-panjakana momba izay. Ankoatra izay dia nambara koa fa hakarina iray hetsy ariary ny tambikarama momba ny hofan-trano ary iray alina ariary ny volan-jaza. “Tsy misy tanteraka anefa ireo fa fampandrina adrisa avokoa no natao ka izao tonga amin’ny hetsika izao”, hoy i Florentin Ramamonjisoa, filohan’ny FMMD. Nampitandrina kosa i Tsialofana fa tsy tomponandraikitra amin’izay zavatra hiseho ny F3M raha nanamafy kosa ny sasany fa tsy misy mpanao politika ao ambadiky ny hetsika fa lainga aelin’ny onjampeo iray eto an-drenivohitra izany handotoana ny fiaraha-mientana.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT