Anatin’ny fotoana mampavaivay ny fitokonana no tonga tampoka tao amin’ny port i Roland Ratsiraka. Mazava ny resaka, nijapy lamasinina ny filohan’ny MTS sady filoha lefitry ny FAT.
Nivadika resaka politika ny fitokonana na nandà mafy izany aza ireo mpiasa mitokona. Nilaza i Roland Ratsiraka fa “tsy maintsy avoaka tsy misy hatakandro ireo mpiasan’ny MICTSL 5 sy MAERSK 2 migadra noho ny tsy rariny nataon’ny fitsarana”. Nohamafisiny koa fa “fialana amin’ny jadona sy ny fanagadrana haingana sy maharitra, no nahatonga ny vahoaka nihetsika ny taona lasa, nefa miverina sy hampiharina indray izany amin’izao fotoana ”. Mbola nanohy ny fanambarany ny filohan’ny MTS sady filoha lefitry ny FAT ka nilaza fa “izaho izao no niharan’ny fanagadrana tamin’ny tsy rariny, ka haiko tsara ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fiainana sy ny fiarahamonina”. Nandritra izay rehetra izay, niverimberina ny filazana fitolomana nataon’ireo mitonona ho sendika ny seranan-tsambon’i Toamasina nanaisotra ny jadona. Na ny hira “iny lalana iny” nandravaka ny fihetsehana nataon’ireo mpiasa mitokona ireo koa aza nilaza mazava ny maha politika sy fanohanana mpanao politika ny hetsika ataon’izy ireo. Ankoatra izay, dia nisy ny dinika nifanaovan’ny Tale jeneralin’ny SPAT, MICTSL, SMMC, lehiben’ny faritra Atsinanana, filoha lefitry ny FAT, ny mpitarika sendikaly efatra mianadahy ka roa avy ny SMMC sy ny CCIT, ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona, tsy tazana kosa ny filohan’ny CCIT, natao tao amin’ny port ihany. Nirava maina anefa ny dinika satria dia fepetra sarotra ampiharina sy tsy mitombina eo amin’ny seha-pitantanana ny zavatra takiana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.