Politique

Fitokonan’ny mpiasan’ny ministera Tsy hitsahatra raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo.


  • Zoma 22 Oktobra 2010

Niafara tamin’ny fampiatoana ny asa mihitsy ka nanidiana ny vavahady ny fitokonana notontosain’ireo mpiasan’ny Ministeran’ny toekarena etsy Anosy omaly alakamisy.

Efa ho herinandro izao no nisian’ny hetsika, raha tsiahivina, saingy noezahin’izy ireo nokobonina. Feno anefa ny kapoaka nanomboka omaly. Navoakan’ny mpitokona teny an-tokotany avokoa ny seza fiasana rehetra narahin’ny sora-baventy nirantiranty izay miantefa amin’ny tomponandraikitra fa leon’ny fandrirarirana izy ireo. “Avoahy ny volanay”…Vola izay tsiahivina fa fandrain’izy ireo in-droa isan-taona hatramin’ny naha ministra an-dRadavidson Andriamparany. Manodidina ny 2 tapitrisa Ar mahery isaky ny mpiasa no raisina amin’izany. Mpiasa manodidina 312 manerana ny Nosy no mahazo tombontsoa amin’io vola io. Araka ny fanadihadiana natao anefa dia tamin’ny taona 2008 ireto mpiasa ireto no nandray ny volany farany. Nanambara moa ny mpitokona fa tsy hitsahatra izao fitokonana izao raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Raha sanatria efa foana moa ny didim-panjakana mikasika ny famoahana ity vola ity dia angatahin’izy ireo ny hanehoan’ny ministera izany ampahibemaso. Marihina fa miankina feno amin’ireto mpiasan’ny ministeran’ny toekarena etsy Anosy ireto ny fahalavorarian’ny asan’ny ministera foibe etsy Antaninarenina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT