Politique

Fitokonan’ny ladoany Antanimena Mikatso ny dinika


  • Talata 05 Jolay 2011

Nifarana omaly tamin’ny 3 ora tolakandro ny fampitandremana 48 ora nomen’ny mpiasan’ny ladoany etsy Antanimena ny fanjakana hiverenany amin’ny fanapahan-keviny dia ny fanafoanana ilay didy manaisotra amin’ny toerany ny “Receveur de douane” Ralainony Cyriaque.

 Ity farany izay nahantona tamin’ny asany rehefa voarohirohy ho tomponantoka tamin’ny fanaovana taratasy hosoka nampiasaina tamin’ny fanondranana ireo “bois de rose” tratra tany Maurice farany teo, sy ny mpiasa 2 eo ambany fahefany. Nikatona avokoa ny birao ary tsy nisy asa mihitsy teny amin’ny ladoany Antanimena omaly fa fivoriana lavareny nanomboka ny maraina. Nigadona teny an-toerana ny Tale jeneralin’ny fadintseranana, Vola Razafindramiandra sy ny ekipany tamin’ny 10 ora handamina ny raharaha. Nafana ny adihevitra izay tsy azo natrehana satria mbetika tehaka mirefodrefotra mbetika fimenomenoana no heno. Tamin’ny mitataovovonana sy sasany teo ho eo no nivoaka ny efitrano fivoriana ity tomponandraikitra voalohan’ny fadintseranana ity fa tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra tapaka. Nambarany anefa fa mbola mitohy ny fifampidinihana izay akarina amin’ny sehatra avoavo kokoa.

Ankoatra izay dia niitatra koa, hoy izy ny fitakian’ireo mpiasa mitokana satria sady mangataka sata manokana izy ireo no te hanana solontena ao anatin’ny vaomiera miandraikitra ilay raharaha “bois de rose” mahavoarohirohy ny mpiara-miasa aminy roa. Raha ny nambaran’ny mpiasa iray izay tsy nitonona anarana dia nanainga ny mpiasa hiverina hiasa ny tale jeneraly ka ho setrin’izany dia foanana ny didy mampihantona an’i Ralainony Cyriaque. Nambaran’io mpiasa io koa fa ingahy tale jeneraly no hitarika ny delegasiona hihaona amin’ny praiministra izay tokony ho notontosaina omaly tolakandro ihany. Tsy tontosa anefa ity farany ka nanapa-kevitra ny hanohy ny fitokanana ireo mpiasan’ny fadintseranana rehefa tsy misy voavaly ny fitakian’izy ireo. Andrasana anio indray ny tohiny. Tsy afa-manoatra eo anatrehan’ny zava-misy ireo mpandraharaha mampiasa ny fadintseranana. Ireo orinasa afaka haba mampiditra sy mamoaka entana amin’ny alalan’ity birao ity no tena voamafy satria mihantona avokoa izany. “Tsy dia be loatra kosa ny fatiantoka”, hoy i Vola Razafindramiandra.

 

Yves

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT