Omaly alarobia tamin’ny 8 ora alina latsaka fahefany no tonga teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny mpitandro ny filaminana nirongo fitaovam-piadiana nanaisotra ny afisy lehibe sy ny fitaovana rehetra efa tafapetraky ny Antoko Tiako I Madagasikara hoenti-manamarika ny faha-15 taona nijoroany.
Tsy nisy fampilazana mialoha, tsy nisy taratasy mazava. Nihanika tamboho mihitsy izy ireo satria tsy nanana fanalahidy, tahaka ireny jiolahy mandroba tranon’olona ireny ary dia tena nahagaga ny mpandalo teny Mahamasina teny. Zavatra efa nitranga teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely volana maro lasa izay io fihetsiky ny mpitandro ny filaminana mitondra basy miditra an-keriny io. Fanatanterahana baiko izay manaratsy endrika hatrany ny mpitandro ny filaminana eto Madagasikara. Taorian’izay dia nambara fa tsy misy afaka miditra ao intsony na ny mpiasan’ny kaominina aza.
Hanao fivoriana manokana kosa ny eo anivon’ny mpanolotsaina monisipaly anio alakamisy 6 jolay manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Marihina fa ny antoandro dia efa nanao fanambarana ny avy amin’ny prefektiora sy ny mpitandro ny filaminana, fa tsy azo tanterahina ny hetsika. Nambara fa tsy misy nahazo alalana na ny diabe am-pahanginana miala eny Ankorondrano mihazo an’Analakely ataon’ny panao gazety mivondrona ao anatin’ny hetsika ho fanalalahana maneho hevitra (MLE) na ny hetsiky ny TIM hanamarika ny faha-15 taona nijoroany eny Mahamasina. Voarara tsy azon’ny olona hidirana ao Mahamasina amin’ny 8 jolay fa hihidy, raha ny fanambaran’ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier.
Vonona sy sahy i Marc Ravalomanana
Fanontanian’ny mpanao gazety nialoha ny nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanambarana sy ny nanaisorana ny fitaovana tao Mahamasina ny hoe sao dia mihantsy amin’ny fitondrana ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ny fiziriziriana hanao ny hetsika ? Tsy nisalasala ny filoha mpanorina ny TIM naneho ny heviny fa ny mifanohitra amin’izay no miseho. Sao dia ny fanjakana no mihantsy ady aminay satria efa nahazo fahazoan-dalana ny TIM izay vao nolavina, hoy i Marc Ravalomanana. Nanamafy hatrany ny tenany fa tsy maintsy hatao ny hetsika, ka nanala ny mety ho ahiahin’ny besinimaro amin’ny resaka filaminana, ka nilazany ny hoe: Tongava ianareo amin’ny sabotsy fa ho hitantsika eo, ary tsy misy atahoranareo io na kely aza. 40 000 ny olona ho avy eo, hoy i Marc Ravalomanana ary nametra-panontaniana izy hoe firy ny mpitandro ny filaminana ? Aza manana fisainana miiba rehefa manao zavatra fa raha hanarina ity firenena ity isika dia mila olona sahy, hoy hatrany izy. Nilaza moa ny tenany fa efa vonona ho filoham-pirenena, ka tsy tokony hanan-tahotra ny rehetra. Eo amin’ny fandaminana ny lanonana dia tsy maintsy hiantohan’ny mpikarakara ny filaminana ao anatiny, hoy izy. Nanamafy i Marc Ravalomanana fa tsy hanao kabary politika na kabary be hoe hanakiana fitondrana na hihantsy ady araka ny voizina, fa ny fitondrana no mihantsy ady raha tsy mamela ny TIM hankalaza ny faha-15 taonany. Mbola hihaona amin’ny mpanao gazety eny Ankadilalana koa anio manomboka amin’ny 10 ora ny mpitandro filaminana izay efa nilaza omaly raha nantsoina an-telefaonina fa tena ho hentitra amin’ny sabotsy izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.