Politique

Fitantanana ny firenena Tsy zakan’ny Filoha intsony


  • Sabotsy 03 Jona 2017

Nanomboka nafana indray ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tamin’ny volana mey ka mandrak’ankehitriny, mitombo ny fitakiana sendikaly, ny fitokonana, ny fifandirana raha tsy ilaza fotsiny ny an’ny mpitsara sy ny mpandraharahan’ny fonja noho ny raharaha Manakara isika, eo hany koa ny olana amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny fitsarana any Toamasina.

Lasa adihevitra tsy mety vita koa ny hoe ahoana sy ahoana ny fanajana lalàna , raharaha malaza nahatonga azy io ny raharaha Claudine Razaimamonjy; ilay ramatoa mpanolotsain’ny filoha sady mpandraharaha voarohirohy amina raharahana kolikoly namoahana didim-pitsarana miditra am-ponja vonjimaika kanefa milaza hoe marary hono ,dia mbola any amin’ny hopitaly efa ho 60 andro izao.Lasa niteraka lonilony teo amin’ny sendikan’ny mpitsabo sy ny mpitsara izy ity ary nampifanolana ny mpitsara sy ny fahefana mpanatanteraka ihany koa.

Ankoatr’izay na an-tanan-dehibe na eny ambanivohitra dia mirongatra ny herisetra sy tsy filaminana : eo ohatra ny fakana an-keriny, ny fanolanana miampy famonoan’olona feno habibiana, ny halatra sy vaky trano miaraka amin’ny daroka..avy eo ny jiolahy nahavanon-doza toa hita miriaria eny anaty fiarahamonina eny ihany ary dia mamerin-keloka.Ny fitsaram-bahoaka dia mbola misy ihany eny an-tsefatsefany eny ary indrisy fa efa lasa tsy mahataitra ny maro intsony.Na ny fampianarana, ny fandraharahana, ny tontolon’ny finoana, ny filaminana dia ahitana olana tsy mety voavaha avokoa amin’izao fotoana.Misy ihany ny vahaolana fa tefimaika dia miverina indray ny olana satria tsy voavaha ifotony.Hita ho tena fanina manoloana izany zava-drehetra izany ny fitondram-panjakana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina milaza fa miezaka isan’andro kanefa tsy hita ny vokatra mivaingana; mihisitra be ny fahazoana famatsiam-bola, na ny taratasy ampiasaina aza olana be any anaty ministera.Misy tokoa fandaharanasa hampandrosoana ny firenena fa ny hanatanterahana azy tsy hita hoe atao ahoana; manao izay tiany ny governemanta satria manaiky lembenana koa ny depiote tokony hanaramaso ny asany.Telo taona izay no dila, tsy iadian-kevitra intsony kosa angamba fa tena tsy mahazaka mitantana an’i Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany, fihetsiketsehana ivelany sy fanova-maso no betsaka fa raha ny tena marina dia efa tena tsy zakan’ny atidohan’ny filohampirenena sy ny HVM intsony ny famahana ny olana eto sy ny fampierenan-doha an’i Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT