Ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina indray no filoha hitarika ny Comesa mandritra ny herintaona. Vita omaly teny amin’ny CCI Ivato ny famindram-pitantanana teo amin’i Madagasikara sy Etiopia
. Efa filoha lefitra moa isika teo aloha. Napetraka amin’ny toeran’ny filoham-boninahitra kosa ny filoha Zimbaboeana Robert Mugabe. Manana harena, vokatra ary olombelona afaka hiasa tsara isika ka tokony hiaraka handroso ireo firenena 21 ao anatin’ny Comesa, hoy i Hery Rajaonarimampianina nandritra nylahateniny. Azo atao tsara ny manondrana any amin’ny tsena eoropeanina, hoy izy. Tsy maintsy hatsaraina anefa ny kalitaon’ny vokatra sy ny fomba fiasa ary irosoana bebe kokoa ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny fanodinana ny vokatra. Tsy adinony ihany koa ny nanipika fa ilaina ny fanampiana ny sehatra tsy miankina sy ny fanamorana ny fahazoan’ny tanora mpandraharaha famatsiam-bola. Nifantoka betsaka tamin’ny resaka indostria moa ity fihaonana an-tampony faha 19 an’ny Comesa (tsena iombonan’ireo faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika) ity ary sambany i Madagasikara no nampiantrano azy, iray volana mahery kely mialoha ny fihaonana an-tampony faha-16 n’ny Frankôfônia.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.