Mbola hitoerana savorovoron-dresaka mandraka ankehitriny ny amin’ny fitantanana mandritra ny 4 taona ho avy ny rafitra ASOIMI na ny « Association ominisport interministerielle et institution » eto Madagasikara.
Raha nanatanteraka fifidianana mantsy ity rafitra ity ny 22 febroary 2017 dia nivoaka ho mpandresy tamin’ny isam-bato 63 Randriamiarinarivo Jean Bruno Abel ary 4 monja ny azon’ny kandidà Randimbiarisoa Oliva mifanandrina taminy. Namoahan’ny DSPT avy amin’ny minisitera mpiahy naoty laharana faha-033/MJS/SG, ny 21 febroary 2017 nanambara fa hahantona ity fifidianana ity noho ny antony tsy mazava ka nanatanteraka fifidianana vaovao tsy nahitana afa-tsy kandidà 1, Atoa Randimbiarisoa Oliva ny 21 martsa indray ry zareo ary nahalany ity farany tamin’ny isam-bato 97,5 %. Raha ny fantatra dia kandidà notohanan’ny mpandraraha malaza Razaimamonjy Claudine sy ny minisiteran’ny tanora Atoa Oliva ka mamofompofona HVM. Manana ny fahaleovantenany tanteraka amin’ny fanatanterahana ny fifidianana anefa ny ASOIMI, hoy Atoa Randriamiarinarivo Jean Bruno Abel, ary ny AG no rafitra manankery hanatontosa sy hampanankery izany. Ny tenanay no nahazo ny « récépissé » mazava avy amin’ny minisiteran’ny atitany manambara ny maha filoha ara-dalàna ny tena dia izao nanatanteraka hetsika Baskety « Inter saison » tontosaina eto amin’ny kianja Mitafon’i Mahamasina amin’ny sabotsy 6 mey izao mialoha ny hanokafana ofisialy ny fifaninanana 2017. Azo ambara fa mamofompofona resaka politika ao anatin’ny fitantanana an’ity ASOIMI ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.