Tontosa omaly teny Tsimbazaza ny fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehina niarahan’ny praiminisitra sady minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny minisitry ny vola sy ny tetibola Gervais Rakotoarimanana an-daniny, ary ireo solombavambahoaka mpikamban’ny antenimieram-pirenena an-kilany.
Nanampy azy ireo ihany koa ireo teknisianina eo anivon’ireo minisitera ireo ka lahadinika niadiana hevitra ny momba ny Komity Ifotony momba ny Fampandrosoana na « CLD ». Nambaran’ny praiminisitra taorian’ny dinika fa ny solombavambahoaka no ho filohan’ny CLD. Nisy ny tsy fetezana tamin’ny CLD ka nifanaraka ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna nijery izay marimaritra iraisana mba ahafahan’ny solombavambahoaka mampiasa ny vola ho an’ny fampandrosoana ny eny amin’ny distrika”, hoy izy. Eo amin’ilay fandoavana vola 200 tapitrisa dia noresahina fa tsy olana. Hafainganina ny fikarakarana ireo antontan-taratasy sy ireo lalana rehetra tsy maintsy diavina mba hisian’ny marimaritra iraisana. Tany am-piandohana dia ireo Ben’ny tanàna no voafaritra fa hitarika ny CLD fa nitsimbadika ny rasa. Toa nomena lamosina sy nahazo tsipaka am-bavafo ireo izy ireo raha dinihina ity fanapahan-kevitra ity. Izy ireo no mahalala ny olana sy ny fampandrosoana tokony hapetraka eny ifotony saingy izao tatry ny politika hafahafa izao. Inona ny fampandrosoana ho vanona amin’izany ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.