Ny eo tsy mivaha, ny eo misosoka ihany ! Izay no azo hamaritana ny zava-misy eto amin’ny firenena manoloana ny fitakiana sy ny fitokonana isan-karazany vokatry ny tsy fahaizan’ny HVM mitantana ny firenena.
Maro ny kolikoly avo lenta eto amin’ny firenena, ka olom-bitsy no migalabona amin’ny harena sy ny volam-panjakana. Izay no mahatonga ny fitakiana isan-karazany. Mila manana fahefana manao izany ny fanjakana raha jerena amin’ny resa-bola be mihodina anaty afera maloto isan-karazany ataon’ny mpitondra. Mampiato ny asany ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na ny SECES amin’izao fotoana izao noho ny tsy fanatanterahan’ny fanjakana ny fifanarahana sy didim-panjakana efa vita sonia ny 10 septambra 2015. Milaza ny hiroso amin’ny fitokonana faobe izy ireo raha tsy voavaly alohan’ny fivoriambe tsy ara-potoana ataon’izy ireo ny 1-2 jona ny fahazoan’izy ireo ny zony. Ny mpianatra koa mety tsy hipetra-potsiny manoloana ny fitokonan’ny SECES. Ny fitakiana nataon’izy ireo momba ny fampiakarana ho 100% ny vatsim-pianarana sy ny fampidinana ny saran’ny fisoratana anarana tsy nivaly hatreto. Milaza ny hanao fitokonana mandritra ny 2 andro manomboka ny 29 mey ihany koa ny mpiasan’ny ladoany mba hamaliana hanomezan’ny fanjakana ny zon’izy ireo, ary hampitomboina ho 5 andro izy io raha mbola minia be marenina ny mpitondra. Raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny fadin-tseranana anefa dia 5 miliara ariary eo ho eo ao anatin’ny iray andro ny fampidiram-bolany. Hisy fiantraikany lehibe amin’ny fampidiram-bola ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany satria 10 miliara no ho very mandritra ny hetsika ary ho tonga 25 miliara ariary raha mitohy ho 5 andro. Miraviravy tanana anefa ny fitondrana ary mamono afo amin’ny fanaovana hetsika sosialy raha dinihina amin’ny fihetsiky ny filoha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.