Politique

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Andao hatambatra ny hery, hoy ny CRAM


  • Zoma 02 Jona 2017

Namoaka fanambarana momba ny tokony hamondronana hery amin’ny hitakiana ny ireo Nosy Malagasy (îles éparses) izay mbola eo am-pelantanan’ny Frantsay ny Birao Nasionalin’ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar ) tarihan’Atoa Joel Harrison Marie René.

 

 Raharaham-pirenena ny resaka Nosy Malagasy ka manentana ny mpitondra, ireo Fikambanana maro samihafa mitaky ny famerenana ireo Nosy Malagasy, ny ankolafin-kery rehetra eto amin’ny firenena hifanome tanana amin’ny fanomanana hetsika iray goavana eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina mba ho hitan’izao tontolo izao , indrindra fa ny fitondram-panjakana frantsay, ny firaisan-kinan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiarovany ny fiandrianam-pireneny sy ny hetahetany amin’ny fialana tanteraka amin’ny fanjanahan-tany ary ho fampiharana ireo fehin-kevitra noraisan’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana momba ireo nosy nantsoiny hoe : « îles malgaches ». Notsiahivin’ny CRAM ny fanambaran’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron fa fanitsakitsahana ny maha olona sy famonoan’olona faobe na « crime contre l’humanité » ny fanjanahan-tany. Ny fanagiazan’ny fitondram-panjakana frantsay ireo Nosy Malagasy izay isan’ny tanintsika ireo dia mbola taratry ny fanjanahan-tany. Nalana tamin’i Madagasikara ireo Nosy malagasy ireo 80 andro mialohan’ny nanolorana ny fahaleovan-tena sarin-tsariny kanefa dia mazava tsara ny voalazan’ny fehin-kevitry 1514 tamin’ny 14 desambra 1960 noraisain’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, hoy ny CRAM.
Fombafomba ara-diplomatika sisa no hatao any New-York amin’ny volana septambra 2017 raha miverina amintsika ireo Nosy Malagasy ireo mialohan’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT