Nandefa taratasy misokatra ho an’ny sendika, firaisamonim-pirenena ary herivelona maro izay samy manao ny fitakiany kanefa tsy mahita vokatra i Toavina Ralambomahay.
Anisany ny SMM, Sempidou/Amidou, Rohy, MLE, Vonjeo Soamahamanina, FFKM, Voahary Gasy, GEM, Sefafi, Eveka, FES, Bianco. Maro ny fitakiana nandritra ny 3 taona sy tapany. Manana fahefana ara-bola ianareo, manana fahefana ara-panahy ihany koa ireo sehatra samihafa ireo. Hevitra mety avokoa ny angatahanareo tsy ankijanona amin’ny mpitondra firenena, kanefa toa tsy misy mihaino koa hono ianareo, hoy izy. Mbola misy herintaona vao tonga ny fifidianana, ka tokony hifanatona ny mitovy hevitra mba hialana amin’ny menomenona sy fitakiana tsy misy fiafarany sy mitsitokotoko. Manangàna antoko tahaka ny fanaon’ireo sendikà any Angletera na Alemana na ilay antsoina hoe antokon’ny mpiasa, hoy hatrany i Toavana Ralambomahay. Maro ny olona mpikambana ao tsara sitrapo ary tsy vitsy ny manampahaizana ka raha ha mitambatra izy ireo, mety hahavita zavatra. Efa maro amin’ny mpikambana ao aminareo no lasa tompon’andraikitra ambony teto, indrindra nanomboka tamin’ny 91 sy ny tamin’ity fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina ity, saingy toa mandeha irery ka tsy mampiova ny fitakiana. Efa fantatra ihany aloha ny valiny “tsy manao politika izahay”, kanefa raha sanatria tsy manaraka ny fitakianareo indray ireo olom-boafidy dia hihemotra indray isika amin’ny 2019, hoy izy. Ho an’ny SMM manokana, mitaky fahefana ianareo (fahefam-pitsarana), tahaka ny an’ny filoham-pirenena sy ny parlemantera. Ekeko tanteraka fa olom-boafidy farafaharatsiny olom-boatendry ny mpitsara. Matoa mantsy manam-pahefana ny Filoha, dia satria nomen’ny vahoaka ary voafidy. Toraka izany ny solombavambahoaka. Mila manova, farafaharatsiny mikitika lalàmpanorenana ny fitakianareo (ohatra: fanalana ny Filoha ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara. Marihiko anefa fa ny 17 amin’ireo mpikambana dia mpitsara avokoa, ka raha alana ny filoha sy ny minisitra dia 6 sisa no mety tsy ho mpitsara…). Tsy any amin’ny governemanta ny mpitsara no tokony hangataka fahefana fa amin’ny vahoaka. Toraka izany ihany ny CENI-BIANCO mitady vola fahefana sy fahaleovantena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.