Nikarakara «atrikasa ho fanentanana ireo vehivavy sy tanora mikasika ny anjara adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy ireo amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana».
Ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na ny CENI sy ny Fikambanan’ny maintimolalin’ny sekoly ambony mampiofana ny mpitantan-draharaham-panjakana any Frantsa na ny AAENA eto Madagasikara (Association des Anciens de l’Ecole Nationale de l’Administration).Tafiditra ao anatin’ny fanentanana nasionaly izay tokony hatao ao anatin’ny fitoniana izao hetsika izao, mba hananana tambajotra hifanakalozam-baovao amin’ny fanentanana ara-pifidianana sy hanaovana serasera mikasika ireo olana mifandraika amin’ity lohahevitra ity. Nasaina tamin’izany ireo fikambanana liana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanentanana ara-pifidianana sy ny fanisana ireo mpifidy. Ny lohahevitra manodidina ny olana sedrain’ny vehivavy sy ny tanora, ny serasera amin’ny tambajotran-tserasera ara-tsosialy ary lohahevitra mikasika ny fifididianana no novelabelarin’ireo solontenan’ny fikambanana maintimolalin’ny ENA sy ireo teknisianin’ny CENI.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.