Politique

Fisavana trano Nahitana 16 tapitrisa tao amin’ny Jly Noël


  • Talata 23 Novambra 2010


Vola mitentina 16 tapitrisa ariary no hitan’ireo nisava ny tranon’ny Jly Rakotonandrasana Noël, omaly. Araka ny loharanom-baovao dia efa voamarina fa an’ny Raiamandreny Mijoro io vola io. Tsy izay ihany fa mbola nahitana taratasimbola mitentina 40 tapitrisa ariary ihany koa tao amin’ny tranon’ity manamboninahitra jeneraly ity. Mikasika io taratasimbola io dia mbola eo am-panaovana famotorana izany ny mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fisavana ny tranon’ity jeneraly ity dia voaambana basy ny vadiny. Fantatra ihany koa fa tsy maintsy hantsoina atao famotorana i Monja Roindefo, Raymond Ranjeva sy sivily maromaro. Izany dia noho ny nanaovan’izy ireo antso ny amin’ny tokony handraisan’ny miaramila andraikitra. Mitatra, araka izany, ity raharaha fananganana fitondrana miaramila tsy tanteraka teny amin’ny BANI Ivato ity. Omaly dia efa nisy ny sivily voaantso teny Ankadilalana. Ho hita eo ny tohiny. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT