Mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny HAT, araka ny resaka nandeha, no niketriketrika tamin’ny fomba rehetra ny hisamborana ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, ny faran’ny herinandro teo.
Niezaka ny nandresy lahatra ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny mpitandro ny filaminana ity mpanolotsaina ity saingy tsy narisika ny hisambotra an’i Monja Roindefo ireto farany, araka ny resaka mandeha ihany, satria tsy mazava tsara ny antony tokony hisamborana azy ary tsy misy ny porofo mivaingana ny amin’ny fandikan-dalàna nataony. Efa diso fantatry ny olona loatra moa ity mpanolotsaina an’i Andry Rajoelina, izay teratany vahiny ity, satria anisan’ireo niasa mafy tamin’ny fandrombaham-pahefana nataon’i Andry Rajoelina. Araka ny tsiliantsofina re ihany, dia nilaza tamin’ireo havana sy olona akaiky ny filoha nasionalin’ny antoko Monima ity mpanolotsainan’i Andry Rajoelina ity fa tokony handao faran’izay haingana ny renivohitra i Monja Roindefo satria mety misy zavatra hanjo azy eto. Tsy nisy moa ny fisamborana, na dia efa niparitaka sy nivoaka tamin’ny vaovao sy gazety teto an-toerana sy tany am-pitan-dranomasina aza.
Raha ny resaka mandeha ihany dia eto Antananarivo fa tsy nisintaka na nitsoaka akory i Monja Roindefo, izay miasa mafy amin’ny fanatanterahana ilay fihaonambem-pirenena efa nokasaina natao hatramin’ny herintaona. Tsy mbola nisy kosa aloha hatreto ny fanambarana ofisialy fa tena nisy saika hanao fanonganam-panjakana, araka ny resaka niparitaka teto an-drenivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Na izany aza dia misy amin’ireo manampahefana ao amin’ny HAT no fantatra fa miahiahy an’i Monja Roindefo sy vondrona manamboninahitra maromaro ho mikotrika zavatra hafahafa ; ary efa mazava ny resaka fa tsy nifankahazo tamin’ny HAT sy Andry Rajoelina intsony hatramin’ny nanesorana azy tamin’ny toerany i Monja Roindefo, nanomboka tamin’izay fotoana izay koa no lasa baikom-pitoloman’ny antoko Monima tarihany ny hoe : « tsy maintsy mitohy ny tolona … ka i Monja Roindefo no hitarika antsika amin’izany ». Mbola hitohy …
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.