Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fisamborana ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena tetsy mahamasina ny fiandohan’ny herinandro teo ihany koa ny depiote Mapar,
Christine Razanamahasoa, raha nanotrona ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piasan’ny antoko Freedom tetsy Soarano omaly. Ho an’ny tany mandala ny fahaiza-mitantana sy ny tany tan-dalàna dia rariny ny fisamborana ny mpanolotsain’ny filoha Rajaonarimampianina, Claudine Razaimamonjy, hoy ny tenany.Tsara ho marihana fa ankoatry ny maha solombavambahoakan'Ambatofinandrahana sy mpikambana Mapar azy dia minisitry ny fitsarana nandritra ny fitondrana tetezamita i Razanamahasoa Christine.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.