Nanambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foiben’ny antoko Akfm etsy Andravoahangy omaly ny avy eo anivon’ny vovonana politika,
Force de changement, fa tapitra tamin’ny volana jona teo ny fe-potoana namolavolan’izy ireo ny paikady hanetsehana ny vahoaka tsy hanaiky intsony ny fitondrana amin’izao fotoana. Hiroso amin’ny fitaomana ny vahoaka ary hitety faritra amin’izay izahay manomboka izao, hoy ity vovonana ity ary manao ants oavo ny herivelona rehetra hiaraka hisalahy aminay. Mankahery ireny hery politika isan-karazany mihetsika amin’izao fotoana izao ireny izahay, hoy ity vovonana ity, na dia tsy mitambatra aminay aza fa ny tanjona iraisana no zava-dehibe.
Tsy voahaja ny fahafahan’ny ben’ny tanàna
Manoloana ny filazana fa ny fanahiana ny amin’ny fidiran’ny mpanao politika hitarika fanakorontanana no antony nampiatoana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) amin’ny sabotsy moa dia nanambara i Tolojanahary Maharavo na i Doudou, izay isan’ny nanetsika voalohany ity vovonana ity fa ny dinika fanavotam-pirenena (DFP) izay tarihiny dia efa nilaza fa tsy voahaja eto Madagasikara intsony izany atao hoe zo fototra sy fahafahana mivory voarakitry ny lalàm-panorenana izany. Raha misy ny fanahiana amin’ny hisian’ny fanakorontanana dia anjaran’ny mpitandro ny filaminana no manara-maso. Ny tena manahirana, hoy izy, dia hatramin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo koa izany amin’izao fotoana dia tsy manana fahafahana hamory olona eto Antananarivo. Raha izao, hoy izy, ny filoha Ravalomanana dia miantso ny oloko hitraotra aho.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.