Politique

Fisakana tsa hanim-boay Tsy hifanavaka loko politika eny Soanierana rahampitso alina


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Mihetsika toy ny isan-taona ny terak’i Fisakana tsa hanim-boay ka hifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2017 amin’ny dihy alina eny amin’ny Cemes Soanierana.

Andiany faha-6 ity hotanterahina rahampitso alina io, ka ireo izay mahatsapa fa zanaky ny Distrikan’i Fandriana dia mifamotoana eny avokoa. Ny “Association Aina” no tompomarika amin’ny fandavorariana ny lanonana izay nametraka ny fitokisana feno amin’ingahy Francis Turbo sy ny Génération Mars amin’ny fanafanana sy ny fanentanana samihafa.

Fanao isan-taona izy io mba hifankalalan’ny samy “ahatagny an-tanàna” no koa hisian’ny firaisankina misimisy kokoa, fa etsy andaniny hifangaroan’ireo Vato nasondrotry ny tany amin’ny valala tsy mandady harona satria Fisakana dia iray ihany na any an-toerana na aty am-pielezana. Toy ny fahita isan-taona, tonga manatrika sy mandray anjara mavitrika amin’ny lanonana tahaka izao ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny kaominina 15 any amin’ny distrikan’i Fandriana. Porofo izay fa tsy anavahana loko politika na firehana io lanonana io fa dia natao hampiray sy hampitambatra, indrindra fa hifaliana noho ny fahatrarana ny taona vaovao.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT