Ao Ambohidahy no tazana nijanona ela omaly ity fiara ity. Mpikambana ao amin’ny FIS efa voaroaka tamin’ny volana oktobra 2009 noho ny resaka fanafihana mitam-basy teto an-drenivohitra kanefa naverina indray ho FIS io tompon’io fiara io.
Anisan’ireo nikasi-tanana sy nandratra ireo mpanao gazety teny amin’ny Fréquence Plus ity mpikambana FIS ity araka ny loharanom-baovao ihany. Mbola anisan’ireo teny Ambohipo ihany koa nanao savahao niafara tamin’ny fandrobana ny tranon’i Tonton Ambroise ny sabotsy 15 mey. Na ny teny amin’ny 67 ha na ny teny Ambohipo dia barofo no nataon’izy ireo ka izay angamba no mahatonga azy ireo miahotra mankeny Ambohitsorohitra.
Ny lehiben’izy ireo ihany koa hatramin’ny nitrangan’iny toe-javatra iny dia tsy nandrenesana fanazavana kanefa na ilay resaka FIS tany Marovoay Mahajanga, na ilay teny Ambohibao fakana ankeriny dia nanao fampiantsoana mpanao gazety mihitsy ilay manamboninahitra zandary tao anatin’ny lapan’Ambohitsorohitra.
Ny mpanao gazety dia hanaraka akaiky ny fivoaran’ity toe-draharaha ity, indrindra ny fivoaran’ny famotorana sy ny fihetsik’ireto FIS izay tsy misy tsy mahalala fa tsy manana "cadre légal" na taratasy ara-dalàna mampijoro azy. Nisy fotoana aza nilaza ny lietnà kolonely Andrianasoavina Charles fa na ny basy ampiasain’ireto FIS ireto manao io “opération” etsy sy eroa io dia tsy amin’ny anaran’ny FIS. Asa moa izay mety ho vokatr’izany sa efa naverina izy ireo ! Ho hita eo ny tohiny.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.