Tsy dia re feo intsony tato anatin’ny iray volana teo izao ny FIS na ny Force d’Intervention Spéciale, izay ivondronan’ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy, tarihan’ny lietna kolonely Lylison René.
Nahatsikaritra ny rehetra fa tahaka ny nangina, na nampanginina mihitsy taorian’ny fanambarana nataon’ny masoivoho Frantsay ny 14 jolay lasa teo ny FIS. Na dia teo ihany aza ny valin-kafatra avy amin’ny mpitarika azy sy ireo manampahefana ao anatin’izao tetezamita izao, ny amin’ny hoe : tsy misy idiran’ny masoivoho Frantsay amin’ny foloalindahy malagasy mihitsy, na ny fitandroana ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Rehefa tena nojerena akaiky anefa ny zava-miseho rehetra, sy ny tsy miseho ihany koa, dia hita fa toa nanaraka ny tenin’i Jean-Marc Châtaigner ihany ny fitondrana tetezamita, ary nampangina ny FIS. Tsy hevitr’ity diplaomaty Frantsay ity irery tokoa mantsy iny fanambarana iny, fa efa hafatra avy any amin’ny lehibeny, dia ny fitondrana Frantsay sy ny filoha Frantsay izany. Efa niteny sy nanao fanamarihana momba ny FIS koa anefa ny Firenena Mikambana nandritra ny EPU (Examen Périodique Universel) ny volana febroary 2010.
Raha izay no mitranga dia karazana fanamafisana ny zava-drehetra efa nambaran’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny amin’ny tokony hampitsaharana ireo fandikan-dalàna maro be ataon’ny mpitondra tetezamita eto amintsika tato anatin’ny18 volana izao, ny fitakiana ny hanafoanana ny FIS. Ity rafitra ity rahateo dia tsy mbola mazava ny nananganana azy, manampy izany dia be loatra ny fihoaram-pefy sy fanaparam-pahefana amin’ny endriny maro nataon’ireo mpikambana ao anatiny, na teto Antananarivo izany, na tany amin’ny faritra maro manerana ny nosy. Nanaratsy endrika ny FIS ihany koa ny tsy fifankahazoana, niteraka fisarahana sy fifandrafiana mihitsy teo amin’ireo manamboninahitra roa mpiara-mitarika, dia ny lietna kolonely isany Lylison René sy Charles Andrianasoavina. Ity farany moa dia nesorina mihitsy teo anivon’izany FIS izany ary ny nialany tao no ela dia namoaka fanakianana maro mikasika ny fomba fiasan’ity hery vonjitaitra ity izy. Fehiny dia natao haingon-dapa ao Ambohitsorohitra sisa ny FIS, ary indraindray mba mivezivezy manerana ny tanàna fa tsy manana anton’asa mazava miandry azy isan’andro intsony. Ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana tena izy sy ara-dalàna ihany koa moa fantatra araka ny tsiliantsofina re fa maro no tsy mankasitraka ny fisian’ny FIS, izay ambara fa misalovana ny andraikitry ny polisy sy ny zandary tsotra izao amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.