Politique

Firohotana HAFARI Tokony hofoanana ny CST sy CT


  • Zoma 29 Jolay 2011

“Tokony hofoanana ny CST sy CT ary homena ny Fokontany sy ny mpiadidy fifidianana tokony homena azy ireo”, hoy ny firohotana na “Plateforme” HAFARI izay ivondronan’ny fikambanana miisa 24 avy eto Antananarivo Renivohitra sy Avaradrano ary Atsimondrano ary vao nanavao ny fomba fitantanana ao aminy.

 Mampalahelo azy ireo, araka ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Anosizato ny talata teo, ny toetsain’ny mpitondra amin’ny fisian’ny hoe : misy andrim-panjakana hanangana “cellule de crise” noho ny fangalarana harem-pirenena nefa ireo mpanao halabotry noho ny fahantrana na heloka madinika tsy misy fiantrana na kely aza. Samy hafa ny krizy sy fahantrana, hoy ry zareo ao amin’ny firohotana HAFARI ireto. Ho an-dry zareo, ny krizy voalaza fa misy dia an’ireo mpanao politika sy mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena ary ny nahatonga azy dia ny hambom-pon’izy ireo sy ny mpangoron-karena. Ny vahaolana ialana amin’ity krizy ity, araka ny filazan’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny HAFARI azy ihany, dia ny fialana amin’ny fitiavan-tena sy fahatsoram-po ary fifamelana hifanaovan’ireo mpanao politika. Ny fahantrana kosa dia efa nisy an-taonany maro noho ny tsy fijeren’ny mpitondra nifandimby hatramin’izao ny sosialim-bahoaka, ny toe-karena sy fanapotehana ny soatoavina Malagasy. Tsy fankatoavana iraisam-pirenena, araka ny dradradradraina ankehitriny, no vahaolana haingana sy maharitra hialana amin’ity fahantrana ity fa ny fambolena sy fiompiana ahazoana miala amin’ireo tsy an’asa marobe mahatonga ny fahantrana. Mitohy ny fandatsahana zanak’ovy eny amin’ny tanimbarin’Anjanakilahy Anosizato ho an’ity firohotana ity ary hanenika an’i Betsimitatatra iray manontolo ny fampandrosoana hatao. Ny fiompiana trondro indray no dingana manaraka.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT