Politique

Firenena mikambana Tsy manaiky fanilihana kandida amin’ny 2018


  • Zoma 14 Jolay 2017

Hentitra ny fanambaran’ny Firenena mikambana tamin’ny alalan’ny solontena maharitry ny PNUD Violet Kakyomya omaly mikasika ny hanatanterahana fifidianana eto Madagasikara amin’ny taona 2018.

Nanamafy ny efa nambaran’ny vaomiera Mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) izy ireo fa tsy ny fifidianana malalaka misy sakantsakana, ka tsy tokony hisy mihitsy ny fandrarana ny kandida fa mila hajaina ny tena fahalalahana sy ny demokrasia. Tsy misy ao anatin’ny lalàmpanorenana mihitsy izany “ni…ni…”, hoy ny firenena mikambana. Antony nahatonga izany ny taona 2013 kosa ny famahana ny krizy sy ny fifanarahana politika isan-karazany. Manamafy anefa ny firenena mikambana fa tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pirenena, saingy mitaky kosa ny fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiharana ny tena demokrasia. Marihina fa mahatratra ny vola 83 tapitrisa dolara no nampiasain’ny firenena mikambana tamin’ny sehatra samihafa toy ny fahasalamana, fanarenana ny voka-dratsin’ny rivodoza Enawo. Anisan’ny goavana ny fanampiana ara-teknika sy sara-bola amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Misy ihany koa ny fampiofanana isan-karazany. Efa mazava ny tokony hampanjakana ny fifidianana malalaka ahafahan’ny rehetra mandray anjara. Matoa miteny ny tahaka ireny ny solontenan’ny firenena mikambana eto amintsika dia efa izay izany no hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, koa tena miendrika famonoan-tena ho an’ny mpitondra fanjakana ny fanaovana “ni … ni” amin’io 2018 io satria tena mbola mila fanampiana iraisam-pirenena aloha i Madagasikara amin’izao fotoana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT