Hifarana anio ny atrikasa manokana nandritry ny roa andro, tanterahina etsy Ankorondrano, izay nampiofanin’ny avy eo anivon’ny Firenena Mikambana ireo solontena avy amina antoko politika miisa 60 eto Madagasikara momba ny fampivoarana izay tontolo politika izay eto amintsika.
Anisan’ny tanjona, raha ny loharanom-baovao, dia ny hametraka fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra amin’ny taona 2018. Hofanina ireto mpanao politika ireto, hoy ny fanazavana, hahafahany mahatsiahy ny tokony ho andraikitry ny atao hoe antoko politika, ahafantarany ihany koa ny maha zava-dehibe ny atao hoe demokrasia ao anatin’ny antoko politika, indrindra fa ny mba hahafantaran’izy ireo ny fomba tokony hampiharana izany demokrasia izany amin’izao vanim-potoanan’ny karazam-pandrosoana ara-tserasera izao. Ireo rehetra ireo tsy tomombana, hoy ny avy eo anivon’ny Firenena Mikambana, no mamparefo ny tontolo politika eto amintsika.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.