Politique

Firenena mahantra Miady laharana amin’i Afghanistan i Madagasikara


  • Talata 19 Jolay 2011

72%-n’ny Malagasy, izany hoe mponina telo amin’ny efatra no miaina amin’ireny trano tsizarizary ireny, araka ny fanadihadiana nataon’ny Firenena Mikambana.

 Tsy mitsaha-mitombo izany, araka ny tatitra ihany, indrindra tato anatin’ny roa taona. Izany dia vokatry ny fahasahiranana ara-toekarena sy sosialy noho ny krizy politika mamatotra an’i Madagasikara efa ho telo taona izao.  Vao tsy ela koa no namoahan’ilay gazety boky amerikanina Forbes fa  tafiditra amin’ireo firenena tena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara, araka ny fanasokajiana nataon’ny Agence Habitat eo anivon’ny Firenena Mikambana. I Haiti izay sempotry ny loza voajanahary sy Afghanistan izay rotiky ny ady no miady laharana amintsika, raha ny fanadihadiana ihany. Ankoatra izany, raha ny fanadihadian’ny Unicef, ohatra, dia nitombo 25% ny tahan’ny ankizy voatery tsy maintsy miasa. Roa tapitrisa ireo latsaky ny 15 taona lasa miasa tontolo andro kanefa tokony ho any an-tsekoly, araka ny tarehimarika navoakan’ny INSTAT sy ny UNICEF ihany. Ho an’ny Firenena Mikambana moa dia sokajiana ho mahantra indrindra rehefa miaina amin’ny 234 dolara isan-taona izany hoe manodidina ny 20 dolara na 4 alina ariary isam-bolana. Araka izany dia tsy lakolosy fanairana intsony fa efa tena eny halohalika ny ranombary eto amintsika ary dia efa loza mihatra amin’ny maro an’isa koa ny fahantrana fa tsy manambana intsony

 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT