Politique

Firaisankinan’ny vahoaka sahirana Mandrahona ny hidina an-dalambe


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Potika ny fiainan’ny vahoaka madinika. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanovana napetraka. Fanovana ny fari-piainan’ny mpitondra fotsiny, hoy ny Firaisankinan’ny vahoaka madinika.

 Tsy misy intsony ny hatokona ao an-tokantrano, hoy ity fikambanana ity fa tena tra-pahasahiranana tanteraka ny vahoaka. Manoloana izany indrindra dia miantso ireo tompon’andraikitra ara-panjakana izy ireo hijery akaiky ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina. Manana harena ankibon’ny tany betsaka isika, hoy ihany ity vondrona ity, manana hazo sarobidy koa saingy ireo mpitondra ambonimbony ihany no mahazo tombony amin izany. Manoloana izany indrindra ary dia milaza ho tsy mila mpanao politika ny vahoaka sahirana ka miantso ireo teknisiana, olon-tsotra, mpitandro ny filaminana hiray hina ka hifanampy amin’izy ireo. Mandrahona ny hidina an-dalambe moa ny Firaisankinan’ny vahoaka sahirana raha toa ka tsy mbola misy fandraisana andraikitra ato ho ato, araka ny fanazavana.


Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT