Politique

Firaisankina ho fanavotana an’i Madagasikara Miketrika fidinana an-dalambe


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Manizingizina ny fikambanana « Ny firaisankina ho fahombiazan’ny Tolona » izay nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Ambodirano Ivato ny sabotsy lasa teo fa hetsi-bahoaka lehibe ihany sisa no vahaolana hampahafantarana amin’ny mpitondra sy izao tontolo izao ny ngidin’ny fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy.

Ny fametrahana ny antsoina hoe « Directoire de la Refondation nationale » no vahaolana ivoahana amin’izao fahasahiranana lalina manjo ny firenena izao, hoy Atoa Joseph Yoland lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity fikambanana ity. Aroso amin’ireo vondron’olona sy fikambanana ary antoko politika io hevitra io, hoy izy, ary hiainga ny Tolona Firaisankina isam-paritra ka ho fanombohana dia nisy ny rafitra najoro amin’ireo distrika 6 eto Antananarivo Renivohitra sy any amin’ny distrika hafa manodidina azy. Nisy ny fakan-kevitra sy fihaonana maro efa nataon’ny Firaisankina ho fanavotana an’i Madagasikara ka taorian’izay no nahatsapana fa lalina loatra ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena na ara-tsosialy io na ara-kolontsaina na ara-toekarena sy politika ka atahorana mafy ny vesatry ny fipoahana mety aterany. Efa tena tafahoatra ihany koa ny fandrobana sy fanondranana an—tsokosoko ny harem-pirenena ary mahazo faka ny tsy fandriampahalemana. Farany moa dia hita ho miha very ny fiandrianam-pirenena ary mitady ho rava ny firaisam-pirenena. Hisy ny fanomezana toromarika handrindrana ny tolona, hoy hatrany ny famelabelaran-kevitra teny Ivato ny sabotsy lasa teo. Ho hita eo indray ny ho fizotry ny hetsi-panoherana, ny fitondram-panjakana moa dia efa namoaka didy fa tsy azo atao ny mivorivory na milahatra na midina an-dalambe amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT