Mitombina, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Firaisankina ho fanavotana an’i Madagasikara (Fi.Fa.Ma), ny filazana fa mety tsy ho antsika intsony ity Madagasikara ity atsy ho atsy, raha izao no mitohy.
Laharam-pahamehana, noho izany, ny hanomezana ny Malagasy maherin’ny 12 taona ny tanin’i Madagasikara mba tsy ho lasan’ny vahiny intsony. Fantatray fa mitaky zavatra ara-tekinika be dia be izany, hoy izy ireo, raha nivory tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary omaly, satria tsy manana kara-panondro, ohatra, ny 50%-n’ny Malagasy. Tsy rariny anefa ny mahita hoe Malagasy nahavita nanamaintimolaly ny taniny nandritry ny 20 taona dia ho lasan’ny vahiny mora foana avy eo ilay taniny. Mila atao faran’izay haingana, hoy izy ireo ny “operation” kara-panondrom-pirenena ary ahetsika avokoa hatrany amin’ny sefo fokontany ka hatrany ambony any amin’ny fanatontosana izany satria izay no fiandohan’ny fanorenana ifotony. Nilaza ny hanao hetsika eny amin’ny tranompokonolona moa ity vovonana ity ny sabotsy izao ka dia hoe hita indray hoe ireo fiverenan-kira tao anatin’izay efa-taona izay ihany ve no ho re eny sa mba zava-baovao kosa ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.