Miarahaba sy mirary soa ny antoko Tiako I Madagasikara tratry faha-15 taona niorenany, izay homarihina eny Mahamasina ny hetsika Firaisankiana ho fanavotam-pirenena, tarihin-dry Joseph Yoland, Manantsoa Victor,
Faniry Razafimantany araka ny fanambarana nataon’izy ireo teny Mahamasina omaly takariva. Nanasa ny lehiben’ny antoko eto amin’ny firenena ny TIM mandritra izao fanamarihana manetriketrika izao, ka inoana fa mety hisy mpikamban’ny Firaisankiana ho fanavotam-pirenena hanotrona sy hanome voninahitra ny fanamarihana anio, na koa hifanakalo hevitra manoloana ny zava-miseho eto amin’ny firenena ankehitriny. Efa hatry ny ela rahateo ny Antoko TIM sy i Marc Ravalomanana no naneho fa vonona hisokatra sy hifampiresaka amin’ny hery politika rehetra amin’ny firenena mba hahafahana manasoa hatrany ny tanindrazana. Nandritra io fanambarana omaly hariva io ihany koa no nilazan’ity hery politika iny ny hanaovana fivoriana goavana hiantsoana ny mpanohitra rehetra aoriana kely ao. Tsy maintsy hatsahatra ny fitantanan’ny HVM izao fitondrana izao ary homena ny vahoaka ny fahefana, hoy ny resaka io omaly io. Manameloka ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina izay manaiky hataon’ny fanjakana fitaovana politika ihany koa ny Firaisankiana ho fanavotam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.