Tsy niandry 48 ora taorian’ny nanendren’ny ministeran’ny Atitany ny delegasiona manokana hitantana ny Kaominin’i Toamasina renivohitra, dia manao ranolava sahady ny fanoherana izany ao an-toerana.
Nanomboka ny sabotsy nitohy ny alahady teo, dia nisy sahady trakta niely teny anivon’ny oniversiten’i Toamasina ao Barikadimy, izay milaza fa «Tsy mila PDS hasolo ny Ben’ny tanàna lanim-bahoaka izahay mpianatra. Tsy maintsy handray fepetra izahay raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra atao amin’ny famerenana azy amin’ny toeran’ny olom-boafidy». Ireo mpianatra nanontaniana dia nilaza fa “mafanafana ny ao Barikadimy ao, fa tsy manaiky ny fametrahana ny PDS Rakotovao Mariot hasolo ny Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka, Dr Rakotomanana Gervais”.
Etsy an-kilan’izay, ny fikambanana « Fiombonamben’ny Jerin’ny Maro », ahitana mpanao politika sy olon-tsotra miaro sy saro-piaro amin’ny hambom-pom-paritra sy kaominaly, dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny alahady tolakandro teo. Nahitsy ny tenin’izy ireo nilaza fa “manome 72 ora ny fitondrana FAT sy ny tompon’andraikitra samihafa izahay hampitsahatra ny didy fanendrena ny filohan’ny delegasionina manokan’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina». Nomarihan’izy ireo koa fa «efa nametraka fitoriana ho fampiatoana sy ho fanafoanana ny fampiharana ny didy hitsivolana navoakan’ny ministeran’ny Atitany ny Ben’ny tanàna. Raha arahina ny lalàna velona, dia tokony hiantona aloha izany mialoha ny fivoahan’ny didy avoakan’ny Filankevi-panjakana, ho hitantsika eo raha hanaraka izany lalàna izany ny mpitondra FAT».
Vaky bantsilana nandritra ny tafa nataon’ny «Fiombonamben’ny Jerin’ny Maro» tamin’ny mpanao gazety koa fa «mila vahana ao anatin’ny 72 ora ny olana ara-bola nogiazan’ny ministeran’ny tetibola sy ny vola, mikasika ilay 1,4 arivo tapitrisa ariarin’ny Antenimieran’ny Varotra ao Toamasina, anjara volany tamin’ny fanaovana lavanty entana teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny enim-bolana faharoan’ny taona 2009. Mijaly amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ao aminy izy ireo. Eo koa ny volan’ny ACOA izay voageja ihany koa, ary ny fanaovana antsojay amin’ireo kaonteneran’ny mpandraharaha atao lavanty nefa tsy fantatry ny tompony akory ny ankamaroany. Toy izany koa ny fampitsaharana ny fandrahonana sy fampitahorana amin’ny antso an-tariby sy mivantana ho an’ireo tsy mitovy hevitra. Ary farany ny famoahana ireo gadra politika sivily sy miaramila misy amin’izao fotoana izao». Tapitra anio talata hariva ity “ultimatum” 72 ora ity. Ny alarobia izany dia mety hafana indray i Toamasina, indrindra mikasika ireo mpiasan’ny Antenimieran’ny varotra izay tsy hahazo karama mialoha ny fety sy ny mpikambana ny Acoa mety tsy hahazo ny volany ary ny mety tsy fampiharana ny lalàna mazava amin’ny fanoloana ny Ben’ny tanànan’i Toamasina. Samy miandry izany, fa mety hafana tokoa ny fety niverenan’ny fahaleovantena ao Toamasina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.