Politique

Fiomanana amin’ny fiverenan’i Dada Misy endrika vaovao hatrany tonga ao Behoririka


  • Alakamisy 28 Jolay 2011


 Niavaka omaly ny hetsika tetsy amin’ny Magro Behoririka (andro natokana ho an’ny tanora TIM amin’ny fiandrasana ny fahatongavan’ny Filoha Marc Ravalomanana) fa nisy filaharambe nataon’izy ireo tao ivelan’ny Kianja ary tonga vetivety tsy lavitra teo ny fiara tsy mataho-dalan’ny Emmo-Reg. Ny hanamaro isa ny tanora TIM no tarigetra, hoy Rtoa Fanja, indrindra fa ao anatin’izao fanomanana ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana izao. Mazava ny resaka fa tsy maintsy mody Ravalo.

Ny asa dia efa niainga avy any amin’ny Fokontany, Kaominina ary Distrika. Ny tanjona faharoa dia ny famerenana an-dRavalomanana eo amin’ny toerana maha Filoha azy nefa mila mitandrina isika fa betsaka ny mampiasa ny anarana ny TIM. Nanamarika manokana i Dadah KMFB fa mihabetsaka isan’andro ny endrika vaovao ao amin’ity kianjan’i Magro ity amin’izao fanomanana ny fiverenan’i Dada izao. Maharavo ny fahitana ny endrika vaovao eto an-kianja ary tsapa fa akaiky ilay andro handrasana fa tsy nofinofy intsony, hoy Rtoa Ihanta Randriamandrato. Ho avy tokoa ny olona rehetra amin’io andro andrasana fatratra io ary ho tapitra ny tolona fa famerenana ny toekarena indray ny ady manaraka. Mbola manavaka hatrany ny vary sy ny tsiparifary ny Tompo, hoy i Zafilahy Stanislas. Fitsapana toetra daholo izany na akaiky aza ilay andro satria tsy ilaina misy pentina intsony ny fitsenana am-boninahitra ny Filoha Ravalomanana ary manomboka miova ny tantara.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT